Fandriampahalemana

Soalandy Ankadivoribe Tsy hita popoka izy mianaka


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Renim-pianakaviana iray antsoina hoe : Rasoazanamanana Ionja Niaina vao 24 taona monja, niaraka tamin’ny zanany kely vao 18 volana no tsy hita ary mbola tsy niverina tao an-tokantranony hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao.

 

Ny 17 oktobra lasa teo izy mianaka ireto no nanomboka tsy hita raha nilaza ny handeha hivoaka hiantsena. Raha araka ny fantatra moa dia tsy dia salama saina loatra io Renim-pianakaviana io raha marary kosa Hionitriniainakely , ilay menaky ny ainy saingy nentiny ihany. Efa nampandre sy nitady azy mianaka tany amin’ny olom-pantatra sy ny fianakaviana rehetra moa ny vadin’io Renim-pianakaviana io sy ny rafozany saingy mbola tsy nahita vokatra izy ireo hatreto. Hiangaviana an-tanan-droa araka izany izay mahita na mahafantatra azy mianaka ireto mba hampandre ny manam-pahefana akaiky azy indrindra na koa hiantso ny laharan-tarobia 034 25 320 82 na koa 034 50 263 88. Tsiahivina moa fa any amin’ny kaominina Soalandy Ankadivoribe izy ireo no mipetraka ao amin’ny LOT SC 10.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

  • Fanafihana
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

mitam-piadiana mpiasan'ny Jovenna

Hijery ny tohiny
FTT