Skimming", fisolokiana ara-bola avo lenta

34 any am-ponja, vahiny


  • Alakamisy 04 Jona 2026

64 noroahina niala teto

Voamarina ny fisian’ny tambanjotra vahiny mirotsaka amin’ny asa miendrika hosoka ara-bola antsoina hoe "Skimming" eto Madagasikara, araka ny fanambaran'ny Minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana Hanitra Velonjara Tiaray Rakotonandrasana. Ity fomba ity dia mampiasa fitaovana elektronika manokana hangalarana ny mombamomba ny karatra banky sy hanaovana fanodikodinana ara-bola. Araka ny fanazavana, teratany vahiny avy amin’ny firenena maro no voarohirohy. Olona 34 no voatazona am-ponja, ary vahiny 64 kosa no noroahina hiala ny faritry ny Repoblika. Tafiditra amin’ireo voakasika ny avy any Bangladesh, India, Indonezia, Vietnam ary Shina, izay voatondro ho nandika lalàna na ahiahiana ho mifandray amin’ny tambanjotra mpanao hosoka ara-bola. Maneho ny fahavononan’ny Fanjakana hiaro ny filaminam-bahoaka sy ny fiandrianam-pirenena ny fandraisana fepetra hentitra manoloana ireo vahiny voarohirohy amin’ity asa tsy ara-dalàna ity. Nohazavain’ny Minisitra fa iarahan’ny sampan-draharaham-panjakana maro misahana ity raharaha ity noho ny maha-saro-pady azy. Tanjona ny hiarovana an’i Madagasikara tsy ho lasa toerana iasan’ireo tambanjotra heloka bevava iraisam-pirenena. Namafina fa tsy ekena intsony ny fisian’ireo tambanjotra vahiny manararaotra ny fahalemen’ny rafitra fanaraha-maso mba hanaovana asa manohintohina ny filaminana sy ny lazan’ny firenena. Amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fampiharana hentitra ny lalàna, mampiseho ny Fanjakana fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny olom-pirenena sy ny tombontsoam-pirenena, ary tsy hisy fandeferana amin’ireo rehetra manitsakitsaka ny lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT