Fandriampahalemana

Sinto-mahery- Parking 67 ha Voasintona hatramin’ny vangovangon’olona anaty taxibe


  • Zoma 12 Martsa 2021

Lehilahy iray 18 taona no tratra nisintona tampoka vangovangon’olona tao anaty taxibe nandalo teny

 

 amin’iny faritra 67 ha iny ny 09 martsa lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro no nitrangan’izany ka lehilahy iray nipetraka teo amin’ny varavarakely no lasibatra. Raha vao azon’ilay tovolahy mpanendaka izany dia nitsaoka avy hatrany izy. Niantso vonjy anefa ilay niharam-boina ka raikitra ny fifanenjehana ka tamin’izay fotoana izay no nifanehitra tamin’ny Polisy avy nanao fisafoana teny amin’ny cité 67 ha ilay mpanendaka. Mbola tratra teny aminy ilay firavaka norobainy ary efa naverina amin’ny tompony. Fantatra ihany koa fa efa mpameri-keloka ity tovolahy 18 taona voasambotra ity ary efa voatazona teny Anjanamasina noho ny resaka harom-paosy hatrany. Natolotra ny fampanoavana omaly ny tovolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT