Fandriampahalemana

Sinto-mahery eny 67 Ha Tratra ambodiomby ilay lehilahy


  • Talata 01 Desambra 2020

Lehilahy iray no tratra ambodiomby nisintona findaina vehivavy iray nandeha

 

 

taxibe teny amin’ny 67 ha ny 29 Novambra lasa teo. Mbola tazana teny amin’ilay mpangalatra teny am-pandosirana ilay finday miloko fotsy an’ilay vehivavy. Tsy lasa lavitra anefa izy dia tratra. Rehefa voasambotra anefa izy dia finday miloko mainty tsy mandeha no sady efa vaky ecran no navoakany ary nolazainy fa io ilay finday. Raha mbola teo am-panontaniana azy ny polisy dia tafatsoaka indray izy ary nenjehina ka voasambotry ny fokonolona. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny tovolahy nandritra izany ka naratra. Tamin’ny fanadihadihana natao taminy no nahalalana fa efa nigadra izy tamin’ny taona 2015, taorian’izay dia efa niasa saingy lasa nanao ity asa ratsy ity indray noho ny fahasahiranana. Niaiky ny heloka nataony izy ary nitantara ny fomba nakany ilay finday. Nambarany fa nijanona teo amin’ny toby fiantsonana ilay taxibe no efa hitany nilalao finday ilay vehivavy tao anatiny ka vao nandeha ny fiara dia notsambikinany nalainy izany. Rehefa nenjehina izy dia natolony olona tsy fantatra ilay finday. Rehefa tratra izy dia nentiny nandrebirebena ny Polisy hahafahany mandositra indray ilay finday miloko mainty. Tsy manana ny mpandray finday halatra izy raha araka ny fanazavany fa olona mandalo no fivarotany azy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.

Pati

Legende : Nigadra noho ny fangalarana finday indray ity tovolahy ity

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT