Fandriampahalemana

Seza very tao amin’ny Arrupe faravohitra Hita teny Mandrosoa Ambohijatovo, niaraka tamin’ny akoho amam-borona


  • Talata 31 Janoary 2023

Seza plastika miisa 20 no very ny alakamisy 26 janoary hariva teo teo anelanelan’ny tamin’ny 5 ora ka hatramin’ny 6ora tao amindry Mompera tao amin’ny centre Arrupe Faravohitra

Seza izay mipetraka eo ivelan’ny espace fipetrahan’ny olona rehefa miala sasatra izy ireo.Ny marainan’ny 27 janoary teo nandritra ny fandaminana vao nahatsikaritra ireo mpiasa tao an-toerana fa tsy teo amin’ny toerany intsony ireo seza fipetrapetrahana ireo. Omaly izy ireo no hitan’ny polisy avy ao amin’ny CSP I Analakely. Seza plastique miisa 20 no navelan’ny mpangalatra tetsy amin’ny faritra Ambohijatovo. Manatanteraka ny asa fanaony andavanandro moa ny Polisy ka manodidina ny tamin’ny 03 ora sy 39mn maraina no nahitany izany, nandritra ny fisafoana natao teny amin’ny faritra Mandrosoa Ambohijatovo akaikin'ny fiangonana advantista. Nahatsikaritra olona nitondra zavatra lavalava izy ireo. Navelan’izy ireo ilay zavatra noentiny raha vao nahita ireo Polisy lavitra izy ireo ary nitsoaka. Seza miisa 20, akoho amam-borona 02 ary tuyau plastika mihorongorona izy ireo.Noentina eny amin’ny biraon‘ny Polisy CSP1 avy hatrany ireo entana ireo ary nitety sy nampandre ny fokontany rehetra tao amin’ny fari-piadidiany ny Polisy. Tsy nisy tratra moa ireo mpangalatra fa ny entana kosa no tafaverina soa aman-tsara.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT