Fandriampahalemana

Sendra ny tompon-trano nahay azy Voafiran’ny antsy ny tanan’ilay malaso


  • Alatsinainy 10 Jolay 2017

Hatramin’ny ora nanoratana ity lahatsoratra ity, raha ny tati-baovao voaray farany, dia mbola eo am-pikarohana an’ity dahalo tompon-tanàna tapaka sy ireo malaso namany ny zandary sy ny fokonolona any an-toerana.

 

 Ela nanaovan-dratsy ka sendra ny nahay azy. Andian-dahalo maromaro no nanafika tao amin’ny fokontany Ankida ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Andranovory, distrikan’i Toliara II, ny alin’ny sabotsy 8 jolay teo tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany alina. Raha vao tafiditra ny tanàna ireo malaso dia nampihorohoro ny mponina tamin’ny alalan’ny tsioka kiririoka mafy sady nanapoaka basy. Na dia teo aza ny ramatahora, dia nisy ampahan’olona teo an-tanàna tsy nanaiky lembenana tamin’ny fandrobana fa sahy nijoro sady vonona hiaro ny fananany hatramin’ny farany. Raikitra ny ady saritaka teo amin’ireo mpanani-bohitra sy ny tafihana. Dahalo iray niditra amboletra saika handroba tamina tranon’olona iray no voafiran’ny tompon-trano tamin’ny antsy maranitra lavalela (antsy goro), ka tapaka tamingana bory tanteraka ny tanany an-kavanana. Nitrena mafy sady nila vonjy tamin’ireo namany ity malaso tapa-tanana. Raha vao nahita ny ra niboba sy nijininika ireo mpanafika, dia nitondra nitsoaka haingana an’ity dahalo naratra mafy. Tavela teo an-tanàna kosa ilay tanana tapaka tamingana.


 Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT