Fandriampahalemana

Sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra Tafapetraka ny kaomandy vaovao


  • Zoma 16 Jona 2017

Ny 10 mey 2017 lasa teo, nandritra ny filankevitry ny minisitra no nanendrena ny kolonely Bama Marima kaomandin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra, raha lefitra faharoa ny komandin’ny fari-piadididan’ny zandarimariam-pirenena Toliara izy teo aloha.

 Tontosa ny alarobia 14 jona 2017 lasa teo, tany Ambositra ny famindram-pibaikoana teo aminy  sy ny kolonely Rapo Nicholson izay voatendry hisahana andraikitra hafa. Tamin’izany ihany koa no nanolorana azy ny sabatra izay marika sy famantarana ny maha manamboninahitra ambony misahana andraikitra fibaikona. Zava-dehibe eo anivon’ny foloalindahy ny fifamindram-pibaikona. Fampisehoana ampahibemaso mantsy izany fa  izy no mifehy  ireo miaramila ao anatin’ny faritra izay iadidiany, ka mila henoina  sy tanterahina ny baikony manomboka ny andro handraisany izany. Raha eo anivon’ny sekoly manokana dia andraikitra lehibe no miandry ny kaomandin’ny sekoly satria ao no hanovozan’ireo zandary fahaizana ny asa rehetra izay iandraiketany amin’ny maha zandary azy. Nitarika ny lanonana ara-miaramila ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel, komandin’ny zandarimariam-pirenena. Nilaza sy nanamafy ny tenany fa ilaina ny fifanoloana toerana toy izao mba hampizotra ny asa sy hisian’ny aina vao hatrany. Nisaorany ihany koa ny kolonely Rapo Nicholson noho asa vitany. Nampahatsiahy ny kolonely Bama Marima koa anefa izy fa maro ny asa miandry azy. Ity farany izay nanome toky fa hanatontosa ny andraikiny. Nofaranana tamin’ny Matso lehibe ny lanonana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT