Trano fatoriana miisa roa sy “sale d’eau” miisa roa no notokanana tao amin’ny Sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena na ny EGNA any Ambositra ny zoma 14 aogositra lasa teo,
izay natrehin’ny Kaomady ambonin’ny , ny jeneraly Andrianjanaka Njatoharisoa sy ny solontena maharitra lefitry ny PNUD eto Madagasikara Henry René Diouf. Taorian’ny famoahana ny andiany faha-74 amin’ny mpianatra ho zandary sy ny famindram-pibaikoana ho an’ny kaomandin’ny vondron-tombim-pileovan’ny zandarimaria any Amoron’i Mania natao tao amin’ny EGNA io. Nanomboka ny volana jona ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa, ka ny PNUD no nanohana izany, izay tafiditra ao anatin’ny tosika ho amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana, vatsian’ny Tahirimbolan’ny firenena mikambana ara-bola. Nidera sy nandrisika ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy sy ny fihoarana amin’ny sakantsantsana mety hahazo azy ireo amin’ny fidirana ao anatin’ny zandarimaria ny PNUD, Ireo vehivavy zandary rahateo no hisitraka ireo fotodrafitrasa nasiam-panavaozana. Marihina fa ny taona 2011 ny EGNA no namoaka zandary vehivavy voalohany. Miisa 1200 isan-taona eo ny mpianatra ho zandary raisin’ny EGNA, ka ny 10% amin’ireo no vehivavy, raha toa ka eo amin’ny 18% salan’isa io any Frantsa. Tamin’ny andiany farany teo, dia ny 112 amin’ireo andiany faha-74 vao miisa 1195 nivoaka no vehivavy. Tsiahivina fa nandritra ny lanonam-pamoahana ireo andiany ireo no nanambaran'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, jeneraly Richard Ravalomanana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby, fa mari-pahaizana Bakalorea no takiana amin'ireo zatovo hifaninana amin'ny andiany faha-75 izay hatao tsy ho ela.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.