Fandriampahalemana

SEG Betongolo Manamboninahitra 22 nasondrotra grady


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Tontosa ny sabotsy 27 jona teo ny fametahana ny galona ho an'ireo manam-boninahitra miisa 22 nisondrotra laharam-boninahitra tamin'ity taona 2020 ity, miasa ao amin'ny Foibe fibaikoana ny zandarimaria sy eo anivon'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria eto Antananarivo.

 

 

 

 

Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Jeneraly komandin'ny zandarimariam-pirenena ary ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny zandarimaria. Nifandimby nandray fitenenana, nitso-drano sy niarahaba ireo nisondrotra galona izy ireo. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria namaritra tsara fa vokatry ny ezaka izay hataon'ny tsirairay eo amin'ny fanantanterahana ny asa hiandreketany izay tsarain'ny lehibe isan'ambaratongany avy, no hahafahana misondrotra laharam-boninahitra. Olona mendrika tokoa noho izany no hasondrotra galona, mitaky fandraisana andraikitra ary fomba amam-panao vaovao ho an'ny nahazo galona izany. Nanafatrafatra Atoa Minisitra mahakasika manokana ny fitandremana mba hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19 amin'ny alalan’ireo "gestes barrières" satria mitombo hatrany ny isan'ny voa ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT