Tsy manan-kolazaina firy aho manoloana ny vaovao aely any an-drenivohitra izay tsy mifanaraka amin’ny tena zava-niseho marina taty Ikongo, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Brunel tamin’ny antso an-tariby nifanaovana taminy.
Taorian’ny raharaha momba ny fahavakisan’ny fonjan’Ikongo dia niangonan’ny rihitra ity solombavambahoaka ity. Raha ny resaka efa nivoaka tao amin’ny tambajotra ara-tsosialin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM, dia nandaitra tamin’ny vahoaka ny filazan’io solombavambahoaka io, fa manao kolikoly ny fitsarana any Ikongo, ka tsy mahatoky izy ary ny dina ihany no tokony hampiharina amin’ireo olona 10 voarohirohy tamina vono olona. Izay no voalaza fa nahatonga ireo olona hatrany amin’ny 800 nirohotra namaky fonja ny alarobia 13 desambra. Ny mpitsara taty an-toerana dia nahita tsara, ary tao an-tranoko mihitsy aza no natory, hoy ity solombavambahoaka ity. Ny harivan’ny alarobia ihany dia efa nilamina tanteraka ny tany an-toerana satria nisy avy hatrany ny fifandaminana natao niarahana tamin’ny ampanjaka, ary nanaiky nilamina nametraka ny fitaovam-piadiana isan-karazany ireo olona marobe raha ny fanazavany. Nisy rahateo ny fivoriana nataon’ny OMC (Organe Mixte de Conception), izay ahitana ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ary ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. Tena mampalahelo fa miteraka fahadisoan’ny fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana ny fanabontsinana resaka, ka nisian’ny fandefasana mpitandro ny filaminana an-jatony hampandry tany, izay tra-doza, hoy ity solombavambahoaka ity. Raha nanontaniana ny momba ireo voafonja hoe firy no efa tratra na koa nitolo-batana, dia nilaza izy fa tsy mbola manam-baovao satria mbola somokotra tamin’ny fikarohana ireo mpitandro filaminana tra-doza nentin’ny rano ny rehetra. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.