SAROPODY

Lehilahy 60 taona tratra nihanika tambohon’olona


  • Talata 26 Septambra 2023

Lehilahy lehibe iray 60 taona no tratra nihanika tambohon’olona teny Saropody ny Sabotsy teo tokony ho tamin'ny 05ora maraina.

Fampitam-baovao avy amin'ny mpiray vodirindrina no nahafantarana ny asa ratsy saika nataon’ity lehilahy ity. Raha vao naharay izany antso izany ny Polisy miasa ao Ambohijatovo dia nandray ny andraikiny avy hatrany nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy. Mbola tratra teo an-tokontanin'ilay trano nihanihany tamboho mihitsy ity rangahy lehibe ity nandritra izany. Rehefa natao ny fisavana azy dia mbola nahatrarana lampe de poche sy pince coupante teny aminy. Nilaza ho tsy manana anton’asa fivelomana moa izy nefa maro adidy, antony nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Tsy ny olon-dehibe tahaka izao ihany no lasa mangalatra ankehitriny vokatry ny fahantrana mihanaka fa tsy tambo isaina intsony koa ireo tanora izay efa mian-dahy miam-bavy mihitsy.
Pati
Legende : Ity ilay Rangahy lehibe efa tokony haka aina saingy noho ny fahantrana dia lasa manaotao foana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT