Fandriampahalemana

Saropody Androndra Midoroka rongony ireo jiolahy mpamaky trano


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Saika miaraka amin’ny rongony hatrany ireo mpanao ratsy eto amintsika amin’izao rehefa hanao ny hataony.

Ankoatra ireo mpanolana dia efa ahitana taratra izany ihany koa ireo mpamaky trano, zava-mahadomelina mitarika azy ireny hanao ny tsy fanaony. Ho an’ireo lehilahy miisa telo tratra teny Saropody Androndra omaly Talata 27 desambra teo ohatra dia tamin’ny 10 ora maraina izy ireo no tratra. Polisy nanao fanamiana no nahatazana azy ireo hafahafa ka avy hatrany dia nisambotra. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahatrarana vola madinika marobe toy ny 50 Ar miisa 32isa, 20Ar miisa 49isa, 10Ar miisa 34isa. Nahitana fitaratra maromaro sy lampe de poche, ranomanitra, fitaovam-pianarana maromaro ary lamba ihany koa tany amin’izy telolahy. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny rongony maromaro izay nafenina tao anaty tranon-tsigara. 24 taona sy 33 taona ary 58 taona izy telolahy ireto.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT