Sarintsarina «Kidnapping »

Mpifankatia nanantena volabe, any am-ponja vao mijanona


  • Zoma 29 Desambra 2023

Ahitana trangan-javatra maro samihafa mihitsy eny anivon’ny fiaraha-monina eny

mba hahazoana vola. Miainga amin’ny fanambakana sy fisolokiana izany ary tonga hatrany amin’ny fanaovana sarintsarina fakana an-keriny toy ity nitranga teny Mandrosoa Ivato omaly ity.Nanao fitarainana ho naharay antso an-tarobia tamin'ny sakaizany taloha sy ny sipan'ity farany ny Raim-pianakaviana iray fa nisy naka an-keriny ny zanak'izy ireo. Nanery ity raim-pianakaviana ity handefa vola mitentina 1 000 000 Ar izy ireo ho sandan'ny amin'ilay zaza any amin'ireo jiolahy mpaka an-keriny. Tsy vitan'izany fa nampitahorin'izy ireo fa hisy haka an-keriny ihany koa ny vadin'ity raim-pianakaviana ity amin'izao fotoana izay efa mitondra vohoka. Nanao fitoriana teny anivon'ny zandarimaria PA Mandrosoa araka izany ilay raim-pianakaviana ka nosokafana ny fanadihadiana. Tratra ilay vehivavy,sakaizan'ity Raim-pianakaviana ity taloha niaraka tamin'ny lehilahy miaraka aminy, voamarina fa tsy nisy akory ny fakàna an-keriny ary tsy misy jiolahy mpaka an-keriny ihany koa. Izy roa ireo ihany no niketrika izany mba hahazoana volabe hanaovana faran'ny taona kinanjo ….mangahazo no hiandry azy.
Pati
Legende : Ireto izy roa be ati-doha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT