Sanjaraky, tovovavy 22 taona voatsatok’antsy

Ilay polisy sakaizany ihany no namono nahafaty azy ?


  • Alakamisy 17 Oktobra 2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

no fantatra fa notsatohan’ny sakaizany tamin’ny antsy ka namoy ny ainy afak’omaly Talata 15 Oktobra tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina tany Toliara. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia Polisy am-perin'asa ao amin’ny CSP Betania io ahiana ho nahavanon-doza io. Raha ny filazan'ny manodidina dia nifamaly izy roa tamin’io Talata alina io. Nisy nanakatona ny varavaran'ilay trano taorian’izany ka nivoaka teny amin’ny varavaran-kely ilay lehilahy. Mbola tsy hita moa io polisy io hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Andrasana izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Anio Alakamisy moa no alevina ny razana hoy hatrany ny vaovao azo, raha mitohy ny fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny tovovavy fony fahavelony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT