Fandriampahalemana

Sampam-pitsikolovana “Poizina ny fanafoanana ny OTME…”


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Mikasika ny OTME (Office des Transmissions Militaire de l’Etat), marina fa ny « service civique » dia rafitra tranainy, fa tena manakaiky vahoaka, izay mbola 80%n’ny Malagasy no mamamboly sy mpiompy ka mila azy,

 hoy ny ampahan’ny fanambaran’ireo miaramila am-perin’assa sy misotro ronono. Ny OTME indray dia voafehin’ny fahendrena malagasy hoe : “Mahery tsy maody, tsy ela velona”; ny fanjakana dia hery (Forces), fahefana (pouvoir), kanefa kosa dia mila fiarovana sy tokony ho mailo hatrany, amin’ny loza maro mety hamingana na handavo azy, izay no nilàna ny OTME, hanao ny asa atao hoe : « Contre-espionnage » eo amin’ny resaka « cybernétique » sy « électromagnétique » (réseaux sociaux, Internet, radio, informatique,…). Ny fanafoanana ireo dia fambolena fahalemena ho an’ny fitondrana, mba hametrahana hivangongo ao Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) ny fiarovana sy fahefana ary hery rehetra iankinan’ny fitondrana. Poizina sy fitaka izao fanafoanana izao, tsy misy firenena tsy manana sampam-pitsikilovana. Lojika raha tafavoaka teto Madagasikara avokoa ny harem-pirenena (Volamena, vatosoa, sokatra, hazosarobidy, sns); ary ny fametrahana ho ambony dia ambony ny MDN, (concentration des forces, importance et intérêt suprême et unique).
EFA NITERAKA VOKA-DRATSY TANY MALI, GUINÉE,…
Ny Famoronana sy fibakoan’i MDN mivantana ny « forces spéciales », dia mbola fametrahana ny fitokisana amin’ny MDN irery ihany io. Ny fanonganana sy fandravana fitondrana tany Asie sy Afrika dia voamarina, fa ny olona eo akaiky eo ihany no nanao azy, noho ny fahatokisana be loatra sy fanomezana fahefana sy hery io olona io, ohatran’ny nahazoan’i Thomas Sankara, ny tranga tao Mali sy Guinée tsy ela akory izay. Aoka tsy ho hadino, fa I MDN amin’izao dia mametraka eo amin’ny mpanao politika Malagasy (na mpanohitra na mpitondra), fa izy irery no mahay, ary izy no Général de corps d’Armée, galona ambony indrindra miasa. Midika izany, fa mety manana tombotsoa ny haharava izao fitondrana izao sy hisian’ny tetezamita izy, hoy ity fanambarana ity. Ny GFS dia eo ambany fahefan’I MDN mivantana dia mitovy tsisy valaka toy ny an’i Colonel Goita tany Mali, ny an’I lieutenant colonel Doumbouya any Guinée, izay samy nanao fanonganana avokoa. Lesona, mety hoe: “aleo ho eo ambany fahefako io Atoa Filoha, mba tsy hisian’ny risika toy ny nataon’I Kolonely Charles sy Lylson, fa saingy tsarovy ihany Tompoko hoe: iza no hahazo tombotsoa raha hisy ny tetezamita tantanin’ny miaramila toy ny any Soudan amin’izao? hoy ny ampahana fanambarana voaray.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT