Fandriampahalemana

Sambava Tratra ny vola sandoka sy basy vita gasy maro be


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Andian-jiolahy mpanao vola sandoka sady mpanefy basy poleta vita gasy tany amin'ny faritra Sava no tratra.

 

 

Saron'ireo zandary avy ao amin'ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Sambava ireo olona miisa 6, jiolahy sy jiovavy izay nokarohina fatratra fa mpanao vola sandoka sy mpanamboatra fitaovam-piadiana entina manao asan-jiolahy, ny sabotsy teo. Nosavaina ny tranon'izy ireo tao Ambatofitaratra sy Besopaka Ambany ary Analapenja samy any Sambava, ka tra-tehaka tamin'izany ireo porofo mivaingana rehetra toy ny lela-vola sandoka Ar 20.000 miisa 157 izay mitontaly Ar 3.140.000. Toraka izany koa ny basy poleta vita tefy gasy miisa 09, lasitra basy miisa 02; bala miisa 02 karazan'akora sy fitaovana fanamboarana basy maro niampy taratasy hosoka isan-karazany. Niaiky ny heloka vitany izy ireo.

 Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT