Fandriampahalemana

Sambava Mpamboly lavanila iray nisy namono


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Mpamboly lavanila iray monina ao amin'ny Fokontany Ambolomadinika, kaominina Nosiarina any amin’ny distrikan’i Sambava no nisy namono tamin’ny fomba mahatsiravina ny alahady lasa teo.

 

 

Notsatohin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny lefona mantsy izy ary nofiraina tamin'ny antsy ny lamosiny. Notapahina koa ny rantsan-tongony telo izay mbola hita teo. Nariany teo anelanelan’Antanananivo sy Andampy ny fatin’ity mpamboly lavanila ity taorian’izany narahiny fatorana lavanila. Marihina moa fa manan-janaka iray sy zafikely roa Itompokolahy. Efa nisy moa ny olona iray nahiana ho namono azy ary efa nosamborin'ny mpitandro ny filaminana any Sambava io olona io. Na izany aza dia nanda mafy ity lehilahy ity fa tsy nanao io asa ratsy feno habibiana io. Efa eo am-pelatanan’ireo manam-pahefana any an-toerana ny raharaha koa andrasana izay mety ho tohiny.

 Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT