Sambava

Maty voakapan'ny antsy be ilay mpangalatra akoho


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Tena efa tsy azo hivalozana intsony ny ankamaroan’ny olona amin’izao amin’ny

fiarovana ny fananany, indrindra raha mahatratra mpangalatra. Efa tena mafy loatra mantsy ny fiainana nefa ireo mpangalatra koa eo an-daniny tsy manaiky fa manao ny hataony hatrany. Ny asa hivelomany sy hamelomany ny ankohonany rahateo tsy misy. Lehilahy iray tompon’akoho monina any Bemanevika Sambava omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina no nahafaty mpangalatr’akoho tamin’ny antsibe. Raha araka ny fantatra dia namoaka moramora ny akohony tao anaty saha io lehilahy novonoiny io. Nitondra antsibe ity farany nandritra izany ka tsikaritry ny tompon-trano. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’izy roalahy ka latsaka ilay antsibe teny an-tananan’ilay mpangalatra. Iny mihitsy anefa no noraisin’ilay tompon’akoho namoana ilay mpangalatra ka maty teo noho eo ity farany. Noho ity vono olona ity moa dia notanana natao famotorana hatramin’ny omaly ilay lehilahy tompon’akoho io. Tsiahivina moa fa ankoatra ny akoho iray dia vomanga iray sobika sy mangahazo tamin’ny gony ihany koa no tranga efa namonoan’olona mpangalatra tany amin’iny lalam-pirenena fahafito iny tamin’ny taona 2023. Midoika avokoa izany rehetra izany fa efa tena faratampony ny hasorenan’ny olona amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto amintsika. Misy amin’ireo mpanao ratsy anefa no toy ny mitsangatsangana fotsiny mandeha eny am-ponja dia miverina manao ny hataony indray.
Pati
Legende : Voatery notazonina ity tompon’akoho ity ! Ity ilay antsibe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT