SAKAFO NAMONO OLONA

Lasa adihevitra be any anaty fiarahamonina


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Raha ny vaovao re farany omaly alahady momba ilay sakafo namono olona teny Ambohimalaza dia 24

ireo marary tratran'ny fanapoizinana mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny CHU -JRA ary ny 18 amin'ireo no mbola tena mila fanarahamaso ny toe-pahasalany, sy tranga misy fahasarotana. Ny 6 kosa efa tsy misy ahiana intsony raha ny fanazavan'ny Tompon'andraikitra. Voalaza fa mbola anisan'ireo tena mbola marary ilay tovovavy tompon'ny aniversera. Nisy moa ireo olona nosamborina ary nadoboka am-ponja vonjimaika.
MAMPIADY HEVITRA
Izay ny vaovao fa any anaty fiarahamonina dia betsaka ny resaka mifamoivoy, eo koa moa ireo karazana ranty mivoaka amin'ny facebook izay lasa maha fanina ireo tsy maharaka tsara ny fandehan-javatra na marivo salosana mora voafitaka. Fa nahoana no ry zareo avy ao amin'ny governemanta avy hatrany no tonga teny amin'ny hopitaly ka nanao fanambarana sy nanamafy fa fanapoizinana no nitranga, hoy ny olona manaraka ny vaovao ? Niditra an-tsehatra hatramin'ny filohan'ny repoiblika. Rehefa izay mantsy dia raharaham-pirenena ary mety efa misy idiran'ny politika ilay zavatra.Mangiana tsy mety miloa-bava intsony ireo mpitsabo sy manampahaizana raha vao hoe tonga ny mpanao gazety hanontany, haka feo sy haka sary. Maro ireo naneho hevitra hoe efa mba nojerena tsara ve ireo sakafo hoe avy aiza, ahoana ny fomba nitahirizana sy nitaterana azy. Ny manana vata fampangatsiahana mantsy dia mahalala tsara fa misy ireo sakafoety hivadika poizina rehefa maty ,mirehitra, maty mirehitra lava io noho ny delestazy ilay "frigo". Tsy voahaja ilay antsoina hoe : "chaîne de froid" . Mahalala tsara an'izany ireo mpivarotra laglasy, trondro, charcuterie, sakafo sy vokatra azo avy amin'ny ronono. Nahoana no tsy nisy niresaka an'io mihitsy ireo manampahefana fa tonga dia hoe fanapoizinana iny. Efa mba samy mahalala ihany anefa ny rehetra hoe raha mosavy na fanafody gasy mamono na mampitondra takaitra zany dia ilay olona nokendrena no voa avy hatrany fa tsy hoe ny fianakaviana iray manontolo na ny mpanatrika ny fety rehetra. Ny antony dia satria ny olon-dratsy hamosavy na hanapoizina dia efa niomana mialoha ary fantany tsara izay ho ataony.
TSY FAHITA HATRIZAY
Adihevitra anaty fiarahamonina monina moa izany fa ny fanadihadiana efa mandeha,misy singa nalefa hotsirihina any ivelany mba hamantarana hoe inona ilay na ireo poizina nampiasaina. Raha ny fitadidiana tamin'izay karazam-baovao trangam-piarahamonina nisy teto amin'ny firenena izay dia ity teny Ambohimalaza ity izany no fanapoizinana ara-tsakafo (empoisonnement) nahavoa olona maro indrindra.
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

Hijery ny tohiny
FTT