SAINTE-MARIE

Moto 25 tsy ara-dalana notazonin'ny Polisy


  • Zoma 06 Martsa 2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

ilay hetsika “Opération Lumière” nokarakarain’ny Polisim-pirenena tao amin’ny Kaomisarian'i Sainte-Marie. Natao izany taorian’ireo lozam-pifamoivoizana matetika vokatry ny tsy fisian’ny jiron’ireo moto sasany mivezivezy amin’ny alina. Vokatr’izany dia moto miisa 25 no notazomina tsy afaka nivezivezy noho ny tsy fanarahan-dalàna, ary mpitondra moto miisa 200 mahery no nisitraka fanentanana na ihany koa nahazo fampitandremana momba ny fanarahan-dalàna mba hisorohana ny loza. Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny Polisim-pirenena amin’ny fanamafisana ny filaminana sy ny fiarovana ny mpampiasa lalana.
Pati
Légende : Ireo moto 25 isa tratra tsy nanara-dalana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT