Sainte Marie Antaninandro

Nahitana razana 2 feno dian-java-maranitra


  • Zoma 15 Desambra 2023

Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny sakelika mikaroka ny heloka

bevavan'ny Polisim-pirenena taorian'ny nahitana razana miisa 2 teny Sainte Marie Antaninandro ny marainan’ny alarobia teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Lehilahy mpiandry fonja, 48 taona, sy vehivavy, 39 taona, ireo hita faty tanaty trano iray eny an-toerana ireo. Vao andro vitsy no nahatongavan'io renim-pianakaviana sy ny zanany roa io nipetraka teny, raha ny nambaran'ny manodidina. Misy vehivavy iray mpanampy ihany koa zareo. Loharanom-baovaon’ny polisy no nahafantarana fa disadisan-tokantrano no ahiana ho niafara tamin'izao fahafatesan'olon-droa izao. Ahiana ho novonoin'ilay rangahy ilay vehivavy ary tombanana ho namono tena izy avy eo araka ny fanazavan'ireo manam-pahefana. Hitan'ilay mpiasa an-trano izy roa nifamaly. Ilay rangahy nitazona zava-maranitra. Lasa niantso vonjy izy ary rehefa niverina tao dia nahita ilay mpampiasa azy efa nidaboka teo am-pandriana, voatsatotsatoka zava-maranitra, diany miisa 4 tao an-damosiny. Niezaka niantso vonjy ihany ilay mpanampy. Avy eo hitany koa ilay lehilahy feno dian-java-maranitra teo amin'ny tratrany sy ny kibony. Ireo zaza tsy tao fa tany am-pianarana. Mandeha ny fanadihadiana ataon'ny polisy mikasika ity tranga ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Sary: Skispass ATM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT