Saika hivarotra basy vita gasy

Tovolahy iray indray no tratra


  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

tao Tsiroanomandidy

Tovolahy iray, 26 taona, mpanao sodira, mahay manamboatra basy ary teo am-pitadiavana mpividy izy no tra-tehaky ny Polisim-pirenena CSP Tsiroanomandidy, omaly atoandro,raha ny tatitra. Nahatratrarana Basy vita gasy 2 ( fohy sy lava) miaraka amin'ny antsy maranitra sy rongony izy, tao Anjanankazo Tsiroanomandidy. Ity lehilahy iray no voasambotra hatreto ary mbola mitohy ny fanadihadiana. Hatolotra ny fampanoavana rahapitsoi talata ny tenany. Tsiahivina fa ny 31 Martsa 2026, lehilahy roa no nampidirina no efa am-ponja vonjimaika ao Tsiroanomandidy vokatry ny fanamboarana basy tsy ara-dalàna tao Atsimo Tsena Tsiroanomandidy. Raha tsiahivina hatrany, ny 27 Martsa 2026 tolakandro, fitaovam-piadiana maro karazana no tratran’ny Polisimpirenena tao an-tranon’ireo olona ireo. Tsy nisy taratasy ireo basy tratra tao amin'izy ireo, ary tsy nisy taratasy ihany koa nahafahana nanamboatra basy. Natolotra ny fampanoavana ny 31 Martsa 2026 izy roa lahy ireo ary nampidirina am-ponja. Fantatra fa misy lehilahy iray efa migadra ao Tsiroanomandidy no tompon’ny sasany amin’ireo basy tsy ara-dalàna. Tsy natao ho an’ny olon-drehetra ny fanamboarana basy sy fitazonana izany. Mampitombo hery sy manamora ny asa ratsin'ireo jiolahy ny fitazonany basy noho izy fitaovam-piadiana saro-pady sy mandatsaka aina. Hita sy voaporofo fa maro ireo jiolahy no mampiasa basy vita gasy. Misy lalàna mifehy azy ny fitazonana basy, fa tsy toy ny mividy zavatra eny amin'ny tsenakely ny fividianana basy. Azo atao tsara ny mangataka fahazoan-dalana mitazona basy fa kosa tsy maintsy arahina ny antanan-tohatra araka ny lalàna, hoy ny manam-pahefana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT