SAIKA HANATITRA VOLA TANY AMIN’NY BANKY

Vehivavy iray matin’ny tifitra teo amin’ny tendany


  • Talata 26 Martsa 2024

Tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Romotra ireo mpanao ratsy ary tena mamono mahafaty mihitsy raha vantany vao misy resa-bola toy ny nitranga tao Toliara tampon-tanana omaly Alatsinainy 25 Martsa folakandro. Vehivavy iray manodidina ny 30 taona izay tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana vola tao amina toeram-pivarotana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro iray any an-toerana no maty notifirin’izy ireo teo amin’ny tendany. Raha araka ny vaovao azo dia efa nisy jiolahy iray niandry io vehivavy io raha vantany vao nivoaka ilay tsena. Nanapoaka basy avy hatrany itsy voalohany raha vantany vao nahita azy niditra tao anatin’ilay fiara ka ankoatra ny poa-basy indroa nisesy nanaparitahana ny manodidina dia nafatrany tamin’ity tendan’ity tovovavy ity ny iray. Maty tsy tsa-drano ity farany vokatr’izany ka noraisiny moramora ilay kopetra nisy ilay vola. Efa notsenain’ireo namany tamin’ny moto kosa ilay jiolahy iray ka lasa nirifatra tsy nijanona no sady mbola nanapoaka basy ihany. An-jatony tapitrisany maro moa ilay vola very hoy ny vaovao azo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT