SAIKA HANAFIKA « CASH POINT »

Jiolahy roa lavon’ny Polisy teny Anosibe


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Tena manao ny hataony ny jiolahy amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fety izao.

Tsy mitsitsy ihany koa anefa ny polisim-pirenena amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Jiolahy miisa roa saika hanafika cash point teo amin'ny lalam-by Anosibe indray vokatr’izany no lavon’ny Polisin’ny SAG (Service Anti-Gang) afak’omaly Sabotsy 21 Desambra tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Angom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisiana andian-jiolahy miisa 5 mirongo fitaovam-piadiana nihaodihaody sy nikasa handroba cash-point teny an-toerana. Nidina nanao fisafoana sy nanamarina izany ny Polisin’ny SAG, ka raha vao nahita azy ireto jiolahy, dia namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy ka nampiasa izany no sady nandositra. Tao anatin’ny fifampitifirana no nahalavo ireo jiolahy miisa roa ireo raha tafatsoaka samy nanana ny lalany kosa ireo namany telo hafa.
Pati
Legende : Ireo jiolahy namoy ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT