SAIKA HAMAKY CASH POINT TAO ANTSIRABE

Nampiasa basy kilalao, tratra tratra na nitsoaka tamin’ny moto aza


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Naharay fitarainana tamin'ny tompona cash point iray teo akaikin’ny lisea

Andre Resampa Antsirabe ny fitaleovam-paritry ny filaminam-bahoaka Vakinankaratra ny harivan'ny 08 Martsa teo fa nisy olona nanafika azy ireo tao amin'ny fivarotany ka niroso tamin'ny fikarohana ilay olon-dratsy ny polisy. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niditra tao amin'ilay cash point ity jiolahy ity ary nanambara tamin'ilay mpivarotra fa hisintona vola mitentina 3 tapitrisa Ar fa miandry an'izay vola izay ho tonga ao amin'ny findainy. Nisy olona teo alohany, ary raha vantany vao lasa ilay olona dia namoaka basy tany aminy ity olon-dratsy ity ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: " ampidiro ato anatin'ity kitapo ity daholo ny vola rehetra". Tsikaritr'ilay lehilahy saika norobaina fa basy kilalao ity narangarangan'ny mpanafika ity, ka niaro tena avy hatrany izy ireo ary novelesin'ny vadin'ilay tompom-pivarotana tamin'ny vilany lehibe iray ny lohan'ilay olon-dratsy. Mbola naneho herisetra ilay jiolahy ka nanao izay hahazoana ny findain'ilay olona ho robainy na dia efa niezaka mafy ny hitazona azy aza ireto farany. Nitsoaka tamin'ny moto noentiny ilay jiolahy rehefa azony ilay finday. Niantso ny Polisy ireto mpivady nisy nanafika ka nataon'ny Polisy ny vela-pandrika rehetra izay hanenjehana ilay jiolahy, ka tratra tany am-pitsoahana ity farany, niaraka tamin'ny finday izay lasany. Nogiazana ao amin'ny biraon'ny Polisy ilay moto ary naverina amin'ny tompony kosa ilay finday izay voaroba tamin'ny fanafihana nataony. Hiakatra fitsarana anio Alatsinainy 13 Martsa ny raharaha.
Pati
Legende : Ilay jiolahy sy ilay moto nentiny!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT