SAHAMAMY AMPARAFARAVOLA

Votsotra ilay takalon’aina, jiolahy 3 lavo


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Jiolahy miisa telo mpaka an-keriny no fantatra fa maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tao Sahamamy

Amparafaravola omaly raha miisa 2 ireo azo sambo-belona. Naka vehivavy iray antsoina hoe : Olivia izy ireo roa volana lasa izay, tranga niseho tany Sahamamy Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro. Efa namoy ny ainy notifirin’ireo jiolahy ireo ny vadiny tamin’ny datin’ny 23 Jona ka avy hatrany dia noentiny Rtoa Olivia rehefa vitany ny asa ratsiny. Ankoatra io vehivavy io dia nisy vehivavy iray antsoina hoe : Béatrice ihany koa natao takalon’aina tahaka azy. Notifirin'ireo jiolahy anefa Ramatoa Béatrice, nandritra ny fotoana nitazonana azy mirahavavy tany Ambolosy Amparafaravola. Mbola nanam-bitana anefa Rtoa Olivia ka avotry ny zandary, afak’omaly alina, tao Morarano Ambatondrazaka. Basy nirefodrefotra moa nandritra ny fifandonan’ny roa tonta ka nandritra izany no nahalavo ireo tsy mataho-tody miisa telo ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Rtoa Olivia sy ny zandary, polisy ary miaramila nanavotra azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT