Fandriampahalemana

Sahamadio 67 ha Lehilahy iray tratra nanendaka vehivavy 3


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Lehilahy iray 31taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP 7 67ha ny 26 martsa 2020 lasa teo teny Sahamadio 67ha noho ny resaka fanendahana.

 

 

 

Ny 26 martsa 2020 maraina tokony ho tamin'ny 6ora sy 30mn teny an-toerana dia vehivavy miisa telo .handeha hamonjy asa eny Andraharo no narahina andian-jiolahy miisa 3 ka rehefa sendran'ny toerana tsy be olona ireto olon-dratsy dia nosintonin' 'ilay lehilahy ny poketran'ny iray tamin'ireo tovovavy ka lasa tamin izany ny vola 43.000Ar, finday android mitentina 70.000Ar. Niantso Polisy avy hatrany ilay niharam-boina, ary nanome tanana ihany koa ireo vaomieran'ny fandriampahalemana ka taorian'ny fikarohana nataon'ireto farany dia lehilahy iray no tra-tehaka teo Sahamadio tsy lavitry ny toerana nanaovan'izy ireo ny asa ratsy raha tafatsoaka nihazo ny elakelan-trano kosa ireo namany roa hafa.Mitohy hatrany ny fikarohana ataon'ny Polisy ireo namany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT