SAFITAHANA MORAMANGA

Notapahin’ilay tovolahy tamin’ny antsibe ny tendan-dReniny


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Tovolahy iray manodidina ny 20 taona mahery eo ho eo no fantatra

fa nahavita nanapaka ny lohan-dReniny tamin’ny antsibe tany amin’ny Fokontanin’i Safitahana, kaominina Ambohibary, distrikan’i Moramanga ny faran’ny herinandro teo. Raha iny variana nanao raharaha tao an-tokantranony iny ilay Reniny hoy ny vaovao no efa nanomana antsibe ilay tovolahy izay marihina fa zanany faha-efatra. Avy hatrany dia nodidiany toy ny nandidy akoho ilay Reniny nandritra izany ka tsy namelany raha tsy afaka ny ainy. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia tsy dia salama saina loatra ity tovolahy kely ity. Manana aretina mitaiza izy raha araka ny fantatra hatrany ka rehefa mihetsika izany dia saika mamono sy mandratra olona hatrany izy. Tsy nahasakana ny zandary tsy hisambotra azy anefa izany ka efa notazonina natao fanadihadiana ny anaolahy. Marihina moa fa efa kamboty Ray izy ireo, antony tsy nisian’ny mpiaro ity Renim-pianakaviana ity tao an-tokantranony tamin’io andro io. Alevina anio Alatsinainy kosa ny razana.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nahavita namono an-dReniny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT