SABOTSY NAMEHANA

Vehivavy nikasa hamono ny


  • Alatsinainy 16 Febroary 2026

vadiny niaraka tamin'ny sakaizany

Efa mihabiby ny olona. Vehivavy iray no nikasa hamono ny vady andefimandriny sy ny sakaizany tao Sabotsy Namehàna. Raha tsiahivina kely ny tantara dia lehilahy iray naratra mafy no tonga nangataka fitsaboana tao amin’ny hopitaly Anosy Avaratra ny alin’ny 21 Janoary teo fa tsy nisy olona nanaraka azy. Nantsoin’ireo mpitsabo avy hatrany ny vadiny, saingy raha vao tonga ity farany dia mbola nikasa hanao risoriso tamin’ireo mpitsabo ary nilaza fa hanome vola an’ireo dokotera mba hamonoana ilay rangahy. Tsy nanaiky izany ireo mpitsabo ka nampandre avy hatrany ny Polisim-pirenena ao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano ary nametraka fitoriana ilay lehilahy naratra mafy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa ny vadiny sy ny sakaizany ary ny mpiray tsikombakomba aminy no nandratra sy nikasa hamono ilay lehilahy. Voasambotry ny Polisim-pirenena ireo olona telo tompon’antoka tamin’ity raharaha ity ary niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana.Natolotra ny Fampanoavana ny 12 febroary 2026 ireo voasambotra ary nampidirina am-ponja vonjimaika eny Avaradrano miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
Pati
Légende : Ireto izy telo tompon'antoka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT