Fandriampahalemana

Sabotsibe Maty voatifitra ny Zandary ilay dahalo nitsoaka


  • Alakamisy 02 Jona 2022

Taorian'ny fifanjevoana tamin'ireo dahalo tao Vohilolo Beandrarezona, fokontany Lampibe, kaominina Marotandrano, distrika Mandritsara ny alarobia 25 may 2022 dia vaky nandositra izy ireo ka tsy nisy voasambotra,

hoy ny fampitam-baovao. Taorian'io dia nisy olona tsara sitrapo nampandre ny lehiben'ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Mandritsara fa anisany nandray anjara tamin'io asa ratsy io i Raka izay zanatany ao Lampibe ka miafina ao Sahavoay, fokontany Ambalakaompania, kaominin’andrenivohitra sy distrikan’i Mandritsara. Avy hatrany dia niroso tamin'ny fikarohana ny zandary ka tratra tao Ambalakaompania tokoa izy. Raha nalaina am-bavany izy taorian'ny fisamborana azy dia niaiky ny heloka nataony ary nanambara an'ireo namany miisa 7 hafa. Nanome toky i Raka fa hitarika sy hanampy ny Zandary amin'ny fisamborana an'ireo namany. Ny alin'ny 30 hifoha 31 may 2022 dia niainga niaraka taminy ireo zandary miisa 12 lahy izay notarihin'ny kapiteny Andriantsihoarana Tobiasy, lehiben'ny vondron-tobim-paritra Mandritsara, ka ireo any Tsaramandroso no nokasaina ho tratrarina voalohany. Teo amin'ny 2km tsy hidirana ny tanàna, avy amin'ny ilany avaratra atsinanana anefa dia nirifatra nandositra tampoka izy hiazo ny vondron'ala tsy lavitra ny lalana. Noho izy tsy nety najanona dia tsy maintsy nitifitra ireo zandary ka voa teo amin'ny lamosiny izy ary maty tsy tradrano. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany izay mbola tsy tratra, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT