Fandriampahalemana

Rongony namidy tao Fenoarivo Olona any Antsirabe no mpamatsy ilay mpivarotra


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Lehilahy iray 31 taona no tratra nivarotra sy nifoka rongony ny 02 martsa lasa teo teny Fenoarivo Atsimondrano.

 

 

 

 Loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ity lehilahy ity. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny teo anivon’ny Polisin’ny STUP Anosy araka izany nisambotra azy. Fantatra tamin’izany fa eny Ambatolampy kely no misy ny toeram-ponenany. Rehefa natao ny vela-pandrika nisamborana azy dia tratra teo am-pivarotana rongony izy ary mbola nahatrarana fonosan-drongony miisa roa sy sakaosy iray feno potika rongony tany aminy. Tamin’ny fanadihadiana natao azy moa no nahafantarana fa hamidiny 2000 Ar ny iray fonosana amin’ny rongony ary mahalafo dimy fonosana isan’andro izy. Fantatra ihany koa fa olona mipetraka any Antsirabe no mpamatsy rongony azy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT