Fandriampahalemana

Rongony (jamala) 620kg nodorana, 1608 fototra nopotehina


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Raha ny artemisia no nisy nanentana sy nampirisika mba hambolena tao anatin’ireny fotoana nampamaivay ny coronavirus ireny, dia ny rongony na jamala no hita fa nirongatra.

 

 

Saika andrenesam-baovao mikasika azy io amin’ny faritra maro eto Madagasikara, na dia mafy aza ny fanenjehana ary ny fanasaziana ireo tratra. Manamarina izany ireo tatitra avoakan’ny Polisim-pirenena sy zandarimariam-pirenena. Ho an’ireo farany izao, dia rongony mitontaly 620 kilao no saron'ny BPR Ihosy sy « Poste Avancé » Ilakaka nandritry ny volana Oktobra 2020. Nodorana ampahibemaso tao Ankadilagnambe Kaominina Ihosy Faritra Ihorombe ny 23 oktobra 2020 ireo. Tao Tsarazafy Fokontany Ambohimalaza Kaominina Mahaiza Distrikan'i Betafo, Faritra Vakinankaratra indray dia saha fambolena rongony iray hekitara mahery nahitana fototra rongony miisa 1608 no saron'ny zandary avy ao amin'ny Brigady Betafo ny 24 Oktobra 2020. Nongotana avokoa ireo zavamaniry voarara ireo ary noentina teo anatrehan'ny manam-pahefana sy ny tompon'andraikitra eo Betafo mba hodorana. Notanana ao amin'ny Brigady Betafo ireo roalahy tompon'antoka amin'ny fambolena ireto zavamaniry ireto mba hanaovana fanadihadiana ary atolotra ny Fitsarana avy hatrany. Marihina fa voararan'ny lalàna ny fambolena, fivarotana, fitondrana ary fifohana ny zava-mahadomelina toy itony dia zavatra iray isan'ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ihany koa ka ilaina ny famongorana tanteraka azy.

 

Hatreto aloha dia  voasazin’ny lalàna 97 039 ny famokarana, fitsinjarana, fanjifana ary izay rehetra mahakasika ny rongony eto Madagasikara. Mahavoasazy toy ny fandoavana lamandy na fampidirana am-ponja .Ny tsikaritra anefa dia ahitana rongony ny faritra rehetra eto Madagasikara ary azo hanaporofoana izany ireo rongony sy mpifoka rongony tratra efa ho isan’andro amina faritra samihafa.

Jean D. sy Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT