Rongony «héroïne» 852 grama

Nosamborina ny teratany nizerianina iray


  • Alatsinainy 08 Septambra 2025

Nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamina olon-droa ny

Polisim-pirenena tetsy Ampefiloha, raha ny fampitàm-baovao voaray ny sabotsy teo, ka niroso tamin'ny fisavàna ny entan'ilay vehivavy. Tratra tany aminy ny zava-maha domelina «héroïne» milanja 852 grama. Nosamborina avy hatrany izy ireo. Rehefa natao ny fanadihadiana taorian'izay dia nosamborina ny teratany nizerianina iray tompon'ireo rongony mahery vaika ireo. Nampidirina am-ponja vonjimaika eny tsiafahy ilay lehilahy. Nalefa eny amin'ny fonjan'Antanimora kosa ilay vehivavy, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT