Olona roa no tratran’ny CSP Ambanja nikasa hanondrana zava-mahadomelina ho any Mahajanga, andro vitsy lasa izay. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy tamin’ny fanaraha-maso ireo olona 2 ireo.
Nitohy tamin’ny fisamborana sy ny fisavana ka roalahy no tratra . Araka ny fantatra dia novidiana tany amin’ny faritra Anaborano Ifasy distrikan’Ambilobe ireo rongony tratra ireo ary saika hamidy any Mahajanga. Milanja 72 kg moa ny fitambaran’ireo rongony tratra izay nafatratra tao anaty gony raha tsiahivina saingy tratra ihany. Tsiahivina moa fa anisan’ny tena manimba sy mamotika ny fiaraha-monina ankehitriny ny fifohana sy ny fandraisana rongony indrindra fa ho an’ny tanora, ary ankoatr’izay dia mbola voararan’ny lalàna ny fifohana sy fanapariahana rongony eto Madagasikara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.