Fandriampahalemana

RONGONY Fanafody fa mety mahalasa adala sy mahafaty ihany koa


  • Zoma 17 Martsa 2023

Fanafody ny rongony amin’ny ankapobeny hoy ny mpitsabo. Amin’ny chimiotherapie dia mitsabo ny homamiadana. Tafiditra ao anatin’ireo fanafody manasitrana aretina 250 karazana.

Anisan’ireny ny angorongosy, ny maialinkomana ny rhumatisme, ny aretin’ny fo, ny androbe, ny soika, ny vavony, ny tsy fahitantory… Ny menaka matavy ao anatiny voan-drongony koa dia manan-danja ahitana otrik’aina rehetra izay tsy hita amin’ny zava-boary afatsy ny rongony. Na izany aza hoy ny mpitsabo dia misy fatrany izy io ary tsy azo hanin-kanim-poana. Efa fiankinan-doha sy fitadiavana tsirom-piainana hafa mihitsy hoy hatrany izy ny an’ireo olona sasany mihinana na mifoka rongony diso tafahoatra isan’andro ka misy maty mihitsy ny sasany. Vehivavy iray tokony ho 37 taona omaly maraina no hitan'ny fokonolona tao anaty kirihitr'ala tao amin'ny Ambohimadera kaominina ambanivohitr’Ambalavao, distrikan’Atsimondrano. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo dia maty vokatry ny fihinanana zava-mahadomelina diso tafahoatra izy io. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny polisim-pirenena niaraka tamin’ireo mpiasan'ny fahasalamana nijery ny razana mialohan’ ny nitondran'ireo fianakaviany ny vatana mangatsiakany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy maty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT