Fandriampahalemana

Rongony ampidirina eto Antananarivo Avy any Toliara ny sasany, 10 kg indray no tratra


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Tratran’ny Polisy miasa ao Toliara tao amin’ny tobim-piantsonan’ny fiarakodia

 

 

 

Toliara miakatra aty an-drenivohitra ny lehilahy iray nikasa ny hitondra rongony milanja 10 kilao omaly alarobia 27 janoary tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. Tsikaritr’ireo Polisy miasa eo amin’io toerana io ity lehilahy ity niaraka tamin’ny kitapo nampiahiahy ka nosavaina avy hatrany. Nafangarony tamin’ireo entana nentiny ireto rongony ireto, fomba fiasa entina hanaparitahana zava-mahadomelina eto an-drenivohitra. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany moa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana mikasika ity fanaparitahana rongony ity ka hisy mihitsy ny fanaraha-maso ireo tambajotra miara-misalahy amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT