ROALAHY NISANDOKA HO KALANORO

Voasambotra rehefa avy nisoloky volan’olona


  • Talata 05 Desambra 2023

Efa mitady hevitra hahazoam-bola avokoa ny olona rehetra amin’izao.

Amin’ny ankapobeny dia vokatry ny fahantrana lalina sy ny tsy fananan’asa no mahatonga izany izay efa tena mampanaotao foana ny Malagasy mihitsy. Roalahy milaza ho Kalanoro ary miantso olona amin’ny finday‚ manao feo hafahafa ary milaza ho mahay mampitombo vola no sarona tany Bealanana omaly. Marobe ireo olona efa voafitak’izy roalahy ireto no sady very vola. Mponina manodidina ny kaominina ambanivohitra Antsiradava , distrikan’i Bealanana ny ankamaroan’ireo lasibatra ka nitady hevitra namandrihana azy ireo. Ny vola fotsiny mantsy nio lany sy ritra fa ny fampanantenana hataon’izy ireo tsy misy tanteraka.Voalaza fa avy any amin’ny distrikan’Andapa izy roalahy ireto no tonga manao izao asa ratsy any Bealanana izao. Nosamborin’ny fokonolona ary nogiazana tamin’ny hazo ny tongon’izy ireo mandrapahatongavan’ny manam-pahefana omaly folakandro.
Pati
Legende : Ireo izy roalahy milaza ho Kalanoro ! Pat
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT