Fiarabe iray niainga avy any Toliara ho aty Antananarivo no tra-tehaky ny zandary nitondra rongony roa taonina.
Fampitam-baovao azo avy amin'ny olona tsara sitrapo no voaran’ny Zandary avy ao amin'ny BPR Ihosy. Ireo farany no nanao sakana sy fitiliana ireo fiarabe rehetra teo amin'ny toerana atao hoe : Ankadilagna tao Ihosy (PK598 RN7) ny marainan'ny 17 martsa 2021. Tra-tehaka teo tokoa ny rongony milanja 1.959 kg izay natao tao anaty gony miisa 89 nentin'ny fiarabe semi-remorque. Notanana natao andrimaso sy famotorana lalina ilay mpamily sy ny mpamily mpanampy ka hatolotra ny Fitsarana. Aorian'izay dia hiroso amin'ny fandorana ireo rongony. Ny fiara moa dia naiditra ambalam-pamonjana. Mahavoasazy sy mampigadra ny mitondra na manao raharaham-barotra rongony.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.