Fandriampahalemana

RN4- Fanafihana sy vono olona Nitondra fanampiana i Marc Ravalomanana


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Taorian’ny fanatrehana ny fanasan'ny Fiangonana Katolika tany Mahajanga sy ny fifampizarana mofomamy tamin'ireo mpikatroky ny Antoko TIM tany an-toerana, dia nitodi-doha niverina aty Antananarivo i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia taminy.

 Nisy tranga tena nampalahelo ary nahontsa ny fo anefa teny an-dalana, teo amin'ny kaominina Andranomamy (RN4) omaly zoma maraina tokony ho tamin'ny 6 ora satria nisy mpandraharaha iray notafihin’ny dahalo miisa 6 notifirin'izy ireo ka maty tsy tra-drano. Voaroba  ny vola 60 000 000 Ar. Rehefa nandalo teo amin'ny Pont Kamory i Marc Ravalomanana sy delegasionina niaraka taminy, dia nosakanan'ireo zandary ary dia nangataka fanampiana izy ireo fa tsy manana solika hanenjehana ireo olon-dratsy. Tsy nihambahamba ny filoha nanome tamin-kitsim-po.
Tsy ny vola izay nomena ho fanampiana ny zandary hataony solika no ireharehana sanatria fa tsy voavidy ny aina, manjaka loatra ny tsy fandriampahalemana, hoy i Marc Ravalomanana. Nanatri-maso aho ary nahita ny fahoriana izay nianjady tampoka tamin'ity fianakaviana iray ity, nefa maro ireo mpiray tanindrazana no miharitra ny zavatra toy izao. Raha mbola homen'Andriamanitra saina sy fahasalamana koa aho dia hanao izay takatry ny saiko hanampiana ny Malagasy, hanarina an’i Madagasikara. Nandrisika sy nampahery ireo mpitandro ny filaminana amin’ny adidy iantsorohany ny filoha teo aloha, ka nankasitraka sy ny nidera ny fihetsiny, indrindra ny fanetren-tena nananany ny rehetra.

 


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT