RN1 BIS_ Fanafihana taksibrosy

Maro ireo naratra, very ny vola maherin’ny 3 tapitrisa Ar


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Notafihin'ny dahalo enin-dahy nitondra basy hazo enina ny taxi brousse roa izay avy any amin’ny distrikan’i

Tsiroamandidy handeha ho any amin’ny distrikan’i Maintirano omaly Alahady maraina ao amin’ny koperativa Fifitsy sy Fofimandidy. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tokony ho tamin'ny 06 ora maraina tany ho any no nitrangan’izany teo amin'ny toerana antsoina hoe : Bebao eo anelanelan' Ambaravaranala sy Iorimbato ,izay mbola ao anatin’ny Faritra Bongolava. Mpandeha maro no naratra vokatr’izany noho ny tifitra nahazo azy ireo. Lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vola mitentina 3.080.000Ar niampy finday miisa 07 sy sakaosy feno lamba maro. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly avokoa moa ireo naratra hoy hatrany ny vaovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa tonga nanavotra ireo voatafika ny mpitandro ny filaminana ka nitondra ireo naratra tany amin’ny hopitaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT