Fandriampahalemana

Resaka hala-jaza tao Morondava Lehilahy 2 no efa voasambotra


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Lehilahy miisa roa 27 taona sy 35 taona no voasambotra tao amin’ny Fokontany Avaradrova, kaominina ambonivohitr’i Morondava afak’omaly alatsinainy 02 janoary tokony ho tamin’ny 7ora hariva rehefa voatondro ho

nangala-jaza. Naharay antso an-tarobia ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria foibe ao Morondava fa misy lehilahy mampiahiahy izay tompon’antoka tamin’ny fangalaran-jaza tany an-toerana tamin’io alina io ihany. Tsy niandry ela ny Polisy fa avy hatrany dia tonga nijery ny zava-misy. Efa vory lanona rahateo ny vahoaka nandritra izany ary efa nanomboka nikasi-tanana ireo lehilahy voalaza fa mpangala-jaza ireo ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka ireto farany. Noentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly manara-penitra moa izy roalahy ireto nitsabo tena. Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy roalahy dia noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana. Rehefa nanao fanadihadiana moa ny Polisy dia mbola tsy fantatra ny momba momba ilay zaza voalaza fa very koa andrasana izay mety ho tohiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa naradratra tahaka izao izy roalahy voalaza ho mpangala-jaza ireto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT