Fandriampahalemana

Reniranon’Ikopa Nahitana razana 4 tao anatin’ny iray andro


  • Talata 13 Febroary 2018

Fatin-dehilahy roa omaly maraina no indray hita natsingevan’ny ranon’Ikopa teny Ampasika. Ireo fokonolona teny an-toerana no nahita ny razana niparitaka sy efa nohanin’ny masoandro vao maraina teny an-toerana ka nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra.

 
Tonga avy hatrany teny amin’ny ranon’Ikopa ny sampana mpamonjy voina nampiakatra ny razana.  Raha ny vinavina sy ny tombana natao dia nisy namono izy roalahy ireto ary natsipy tany anaty rano avy eo.   Nahitana dian-dratra sy fivontosan’ny loha mantsy ireo lehilahy roa efa maty izay natsingevan’ny rano ireo.Feno ratra sy mangana mantsy ny vatan’izy ireo. Nandeha ihany koa ny resaka fa mety ho anisan’ireo olona nitondra môtô nandalo teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny izy roalahy ireto ny alahady alina teo kinanjo sendra ireo mpanendaka eny an-toerana ka sady namoy ny ainy no lasan’ireo mpanao ratsy ihany koa ny fananany. Misy andian’olona efa mpanao ity karazana asa ratsy ity mantsy eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny mponina hatrany. Omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany no nentina sarety nihazo ny tranom-paty etsy amin’ny hopitaly HJRA ny nofo mangatsiakan’izy roalahy. Ankoatra azy ireo dia razana miisa roa ihany koa no hita teny Andranovaky-Ambohitrimanjaka omaly ihany.  Mponina eny amin’ny manodidina ihany izy ireo, izay tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Mandeha ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT