Fandriampahalemana

Reniranon’i Fierenana Toliara Lehilahy iray hita faty, efa tsy nisy lohany intsony


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Mitohy hatrany ny vono olona feno habibiana any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny.

Lehilahy iray indray omaly alahady maraina no hita faty teo amoron’ny reniranon’i Fierenana izay etsy tsy nisy lohany intsony. Raha araka ny tomban’ny maro dia mety novonoin’ny sasany tany amin’ny toeran-kafa ity lehilahy ity ka nalainy ny lohany mba hakany ny masony sy ny lelany…Nariany teny amoron-drano avy eo. Tsy maty an-drano mantsy izy raha ny fahitana azy. Mbola nisy ra maina rahateo teo amin’ny tratrany. Raha araka ny fanazavan’ireo olobe any an-toerana moa dia vokatry ny tsy fananan’ireo tanora tovolahy any an-toerana asa no mahatonga azy ireo hirona amin’ny famonoana olona sy fakana taova tahaka izao ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana. Manampy trotraka izany ny haintany miteraka tsy fahampian-tsakafo lava mahazo ireo mponina any an-toerana ka tokony hitadiavam-bahaolana. Olona 15 latsaka hatreto no efa tratran’izao famonoana sy fakana taova izao tany amin’ny Faritra Atsimo tato anatin’ny telo na efa-bolana.
Nangonin’i Pati
Legende : Misy zavatra hafahafa amina resaka olona hita faty, tsy ampy taova any amin’ny faritra atsimon’ny nosy.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT