Renim-pianankaviana mbola mampinono

Naolana faobe dia novonoina, mbola nalaina ny vola keliny


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona mahery,

mpiasan’ny orinasa afaka haba no fantatra fa nisy nanolana faobe teny Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo afak’omaly Talata 12 Martsa. Raha araka ny fantatra dia avy niasa handeha hamonjy fodiana ity Renim-pianakaviana ity no izao sendra ireo mpanao ratsy izao, tranga niseho tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Rehefa avy nanamparan'ireo tsy matahotody ny filan-dratsiny ity Renim-pianakaviana iray ity dia novonoin’ireo mpanao ratsy ary mbola nalainy ihany koa ny volakely teny aminy hoy ny fitarainan’ireo fianakaviany. Olona sendra nandalo moa no nahita ny vatana mangatsiakany efa tsy nisy fofon’aina intsony. Ny fizahana nataon’ny tompon’andraikitra kosa no nahafantarana fa tratry ny fanolanana faobe izy. Namela kamboty 4 mianadahy moa Itompokovavy raha mbola minono kosa ny zanany farany. Nilaza moa ireo fianakaviany fa hanome valisoa ireo izay manome vaovao momba azy mikasika ity raharaha ity hahafahana misambotra ireo mpanao ratsy. Tena efa tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika. Tokony hitandrina amin’ny fandehanana irery indrindra raha vao hariva noho izany ny zaza amam-behivavy hisorohana ny loza tahaka izao.
Pati
Legende : Namoy ny ainy tahaka izao ity Renim-pianakaviana ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT