Renim-pianakaviana 34 taona

Nahitana rongony 21 kilao


  • Zoma 24 Mey 2024

Nirongatra tato ho ato ny resaka rongony teto amintsika,

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Anisan'izany ny raharaha tao Mahajanga raha vao tsy ela akory izay ilay tranga tao Toliara. Tao anatin'ny angom-baovao sy loharanom-baovao marim-pototra no nahafahana nanao fisavana ny tokantranon'ny renim-pianankaviana iray 34 taona ny 16 may 2024 lasa teo, tokony ho tamin'ny 5 ora maraina, tao Analamboanio Ankazomborona Marovoay. Rehefa niroso tamin'ny fisavana ireo zandary nanao ny fidinana ifotony dia nahitana rongony milanja 21 kilao tao amin'ity ramatoa ity. Notazomina natao andrimaso ilay ramatoa raha toa ka mitohy kosa ny fikarohana sy ny fanadihadihana mahakasika ity raharaha rongony tratra tao aminy ity, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT