Fandriampahalemana

Rehefa avy nokotiany ka tsy zakany Tovovavy 18 taona maty notifirin’ilay miaramila


  • Zoma 26 Novambra 2021

Tovovavikely iray vao 18 taona monja mpianatry ny CEG no maty notifirin'ny miaramila iray kilasy faharoa, ankitsirano.

 Omaly alakamisy 26 novambra atoandro tao Ifotaka, Amboasary Atsimo, faritra Anosy no nisehoan’izany. Tsy nanaiky nadalàn'ilay miaramila mamo izy, kanjo notifirin'ity farany teo amin'ny saokany tamin'ny alalan’ny basy kalachnikov, hoy ny fampitam-baovao vonjimaika. Nivoaka tany amin'ny hatony ny bala, ary maty tsy tra-drano. Andrasana ny tohin’ny raharaha teo anatrehan’ity zava-doza ity. Sanatria hoe: hanenjika mpitandro filaminana be fahatany, fa mihamaro ireo tsy fahafehezan-tena, indraindra miteraka fihoaram-pefy mihoampampana. Tsy vaovao amin’ny maso intsony izany mahita mpitandro ny filaminana manao fanamiana any anaty bara izany, matetika no ahitana mpitandro filaminana mamo, betsaka no manao herisetra,… Tsy natao hanenjehana sanatria, fa tena mila fanadiovana satria indraindray toa mampametra-panontaniana hoe: mba nandalo fanadihadiana lalina toy ny ara-tsaina, ara-pitondran-tena sy ny maro hafa na “enquête de moralité” ve ny sasany?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT