RANOHIRA

Tsy nisy naka ny fatin’ireo lehilahy roa nisy nanapa-doha


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Nahitana fatin-dehilahy roalahy tapa-doha tao amin’ny fokontany Ambatomainty Kaominina

ambanivohitra Ranohira, distrikan’i Toliara II afak’omaly Alatsinainy 22 janoary. Tombanana ho manodidina ny 24 sy 28 taona eo ho eo izy roalahy ireto raha araka ny loharanom-baovao azo ary niaraka mba hitady karama na hiasa saingy nifanena tamin’ny olon-dratsy. Na izany aza tsy nisy ny famantarana manokana nahafantarana azy ireo teny aminy. Raha araka ny fizahana nataon'ny mpitsabo dia efa tamin’ny Alahady lasa teo no namonoana azy roalahy ireto ka nakana ny lohany. Nandrasana tao amin’ny tranom-pokonolona ao Ranohira ny razana ary nalevina omaly Talata 23 Janoary rehefa tsy nisy tonga naka azy ireo ny havany. Tsy mbola nisy rahateo ny vaovao niely fa nisy fianakaviana nanan-kavana tsy hita na nanjavona tany amin’iny distrikan’i Ranohira iny. Tsiahivina moa fa nahazo vahana tanteraka ny fanapahana lohan’olona tato ho ato teto amintsika. Tsy nijanona tany amin’ny faritra Atsimo ihany izany fa tonga hatreto an-drenivohitra mihitsy izay tokony hanaovana fanadihadiana lalina.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy hita faty nisy nanapa-doha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT