Fandriampahalemana

Ranohira Olon’ny TIM maty nisy namono


  • Talata 06 Febroary 2018

Maty novonoin’ny mpiasa tao aminy i Arimanana Léon na Rabesoavaly. Efa ho iray volana tsy hita izy ary rehefa natao ny fikarohana dia nalevin’ireo olon-dratsy teo amin’ny manodidina ny trano fonenany ao Ranohira ihany.

 

 Voasambotra ny iray tamin’ireo mpamono olona ary mbola misy olon-kafa karohina. Fantatra amin’ny fananany « ranch » lehibe iray ao Ranohira Rabesoavaly ary kandidàn’ny antoko TIM izy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana. Mampieritreritra ihany ity raharaha iray ity satria efa misimisy ireo olom-boafidy sy olona avy amin’ny antoko TIM no misy midaroka sy mamono ho faty mihitsy. Efa nilaza ny momba an’io i Marc Ravalomanana ary maro koa ireo mahita fa misy zavatra hafahafa ilay izy, tahaka ny zava-nitranga tany Ampefy tamin’ny herintaona. Nahagaga sy nahatalanjona fa ben’ny tanàna TIM miisa 3 no maty nisy namono tao anatin’ny iray volana tamin’iny taon-dasa iny, dia ben’ny tanànan’Ampefy, ny ben’ny tanànan’i Bemikotry (Maevatanana) ary ny ben’ny tanànan’Ambalakindresy (Ambohimahasoa). Maty novonoina fa tsy matin’aretina izy telo mirahalahy ireo ary tamin’ny fomba feno habibiana no nanaovana izany, tahaka ny hoe hafatra sy fampitandremana mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT