RANGAHY LEHIBE NOVONOINA TAO BRICKAVILLE

Resaka fankahalana tsotra izao


  • Zoma 23 Mey 2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

araka ny fantatra no antony namonoan’ny olona iray ilay Rangahy lehibe tany Manaratsandry, kaominin'Andovoranto, distrikan'i Brickaville, ny Talata 20 May lasa teo.Nofirainy tamin'ny antsibe ilay Rangahy lehibe io raha niasa tany an-tsaha ka tataka tanteraka ny lohany taoriana. Maty vokatr’izany ilay Ray aman-dReny raha lasa nitsoaka kosa ilay mpamono izay soa ihany fa nisy vavolombelona nahita. Tany Tanandava, moa ilay mpamono vao tratra rehefa nifanome tanana ny fokonolona sy ny zandary. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa tsy nisy disadisa na antony goavana nanaperany ny ain'io raiamandreny io saingy tsy tiany tsotra izao kosa.
Pati
Legende : Mahafaty olona tahaka izao ny fankahalana rehefa diso tafahoatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT