Fandriampahalemana

Rangahy 62 taona Nampangaina ho nangalatra akoho ka nodarohana


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Tokony ho ny alin’ny 24 hifoha 25 desambra teo no nisamborana ny havanay izay efa 62 taona noho ny fiampangana azy ho nangalatra akoho,

hoy ny fianakaviana rangahy iray izay niakatra fitsarana tetsy Anosy omaly rehefa avy notanana am-ponja nandritry ny 48 ora tao amin’ny poste avancé Ampangabe, borigadin’Ambohidratrimo, Ambohimierina Ampangabe. Tonga tao an-tranon’ny zandrin’ny mamanay niaraka tamin’ny zandary ireo, hoy ity solontenan’ny fianakaviana ity, Rakotoniaina Ando Eva Rachel. Olona miisa 5 na 6 teo. Nosavaina ny trano fa tsy nisy na inona na inona tratra. Mamanay sy ny zandriny moa no tao ary ny zandrin’ny mamanay dia nieritreritra fa tsy nanao ilay izy dia nadio ny sainy ary nampandroso ireo zandary. Nisy sivily iray niaraka tamin’ny zandary namatotra ny zandrin’I mamanay tamin’ny tady. Lonilonina ady tany somary efa ela izay mbola tsy milamina ilay izy dia ohatran’ny hoe natao fotsiny izay andetehana ny havanay. Tsy izy ireo akory no miady tany fa ohatran’ny hoe namanaman’ilay olona miady tany aminay. Tsy dia tany lehibe io fa misy voasary sy saonjo sy ny toy izany dia io zandrin’I mamanay io no mikarakara ilay taniko. Akoho iray no nolazaina fa nangalariny nefa tsy nahitana na inona na inona ny trano rehetra nosavaina. Resaka akoho no niandohany fa avy eo dia niitatra tamina zavatra tsy fantapantatra be dia be. Novonoiny ny havanay ary tsy navela hivoaka ho tsaboina nefa tena marary. Izaho tsy navela niteny fa hoe avoaka hono vao miteny. Vita ny famotorana dia hoy ilay zandrin’I mamanay hoe Eva o! Ra anie izany nivoaka tamiko teto izany e! Sady nampandoalihana aho no nofatorana avy any aoriana ny tanako no naboridana. Nandeha daholo, hoy izy, ny vono rehetra ary tena mbola hita teny amin’ny tarehiny daholo ny rehetra. Tena saika nivolana ny “mâchoire” raha tsy nahay niala kely aho. Miaro ny fananan’olona ve ny mpitandro filaminana sa miaro fananan’olom-bitsy ahazoana tombontsoa, hoy hatrany ity solontenan’ny fianakaviana ity.
J. Mirija
Legende: Ireo fianakavian’ny lasibatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT